Tanterahina anio sy rahampitso, any Cote d’Ivoire, ny fivoriambe fananganana ny Vondron’ireo Antenimierandoholona aty Afrika. Loholona avy amin’ny firenena afrikanina maro no miatrika izany. Anisan’ izany ny Jly Ravalomanana Richard, amin’ny maha filohan’ Antenimierandoholona azy. Tanjona ao anatin’izany ny fanamafisana ny diplomasia parlemantera.
Sehatra iray hahafahan’ireo Loholona, avy amin’ny firenena maro samihafa, mifampizara traikefa sy manamafy ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana ireo Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana aty Afrika ity fihaonana an-tampony ity. Efa nisy ny fihaonan’ny delegasionina malagasy tamin’ny Kandia Kamissoko Camara, filohan’ny Antenimierandoholona Ivoarianina, ny 8 oktobra teo. Tao anatin’izany no niresahina ny fanamafisana sy fampivelarana ny fiaraha-miasan’ny Antenimierandoholon’ny firenena roa tonta. Marihina fa hanatrika ny lanonam-panokafana amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierandoholona Ivoarianina, ny Jly Ravalomanana Richard.
Lin




