Anisan’ny nanatanteraka ny an-tsapaka ho amin’ny filaharana anaty bileta tokana ny teto Antananarivo Renivohitra, omaly, tetsy amin’ny Ovec, Isotry. Niantso ny mpifidy amin’izay maharesy lahatra azy avy ny kandidà, Ramanantsoa Harilala.
“Tanjona tratrarina ary apetraka: Antananarivo mandroso, Antananarivo madio, Antananarivo milamina. Koa manomboka izao, ny fanentanana sy ny fandrindrana rehetra mba ho maro ny iray dia ao anatin’izao dingana lehibe hatrehin’ny mponin’Antananarivo izao”. Io ny nambaran’ny kandidàn’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), izay lah.7 ho ben’ny tanàna, Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala. Koa samia hotahian’Andriamanitra, samia mifidy an’izay maharesy lahatra azy. “Fa izahay ato amin’ny Irmar sy ireo rehetra mitovy tanjona aminay dia hitondra fampandrosoana, hitondra fandaminana sy fanatsarana ny tanàna”, hoy izy. Vonona amin’ izany ny tenany.
Samy nanana ny nandikany ny laharany
Vita teny amin’ny Ovec, Isotry, omaly, ny fisarihana ny laharan’ireo kandidà ben’ny Tanàna, Antananarivo Renovohitra. Laharana voalohany ny kandidà atolotry ny antoko Iarivo mandroso, Razanamasy Ndriana; faharoa, ny kandidàn’ny Tia tanindrazana ary tohanan’ny vovonana Kolektifa an’ny Malagasy, Razafinjoelina; fahatelo, ny kandidàn’ny antoko Réfondation totale de Madagascar (RTM), Randriamampionona Jospeh Martin na i Dadafara; fahefatra, ny kandidàn’ny Firaisankina, Ravalomanana Tojo; fahadimy, ny kandidàn’ny mahaleo tena tohanan’ny antoko Monima, i Monja Roindefo; fahenina, ny kandidà Mouvement Gasikara, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa; fahafito, ny kandidàn’ny Irmar, Ramanantsoa Harilala.
Samy manana izay andikan’ny laharana azony avy ny ankamaron’ireo kandidà. Nefa ny mpifidy ihany no tompon’ny teny farany .
R. Nd.




