Depiote Dr. Rajaobelina L.H.: Tsy atao ambanin-javatra ny fampandrosoana

Voafidy indray ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Moramanga, ny Dr. Rajaobelina Lova Herizo, sady filohan’ny vaomieran’ny Faha­sa­lamabahoaka eny amin’ny Antenimerampirenena. Ho azy, zava-dehibe ny anjara birikin’ny depiote ny Fama­tsiam-bola to­ha­na ho an’ny fampandrosoana (Ciad). Nam­pi­asana io vola io ho an’ny distrikan’i Mo­ra­manga, tamin’ny fe-potoam-pi­a­sany teo aloha, ny fividianana jiro «cobra», manazava ny ara­be sy ny tanàna any amin’ireo kaominina. Eo koa, ny fividianana moto ho an’ny borigadin’ny zandary, hanamafisana ny fi­tan­droana ny fandriampahalemana ary ho tohizana izany amin’izao nahavoafidy azy izao indray. Manampy ireo, ny famatsiana ordinatera sy «imprimante», ho an’ny kaominina, hikarakarana ny taratasim-panjakana, toy ny sora-piankohonana sy ny hafa. Nampiana ny kojakoja birao toy ny seza any amin’ny kaominina. Narenina ny sekoly sy ny toera-pitsaboana
Anisan’ny vinan’ny depiote Dr. Rajaobelina Lova Herizo, amin’izao fe-potoana manaraka izao, ny hananganana toera-pitsaboana madinika eny ifotony. Hovatsiana fitaovam-pitsaboana madinika, toy ny «tensiomètre», ny kojakoja fampiterahana, ny fandidiana madinika, sns. Mangataka amin’ny fanjakana ihany koa ny tenany, hanomezana ny dokotera, ny infirmiera, sy ny mpiasa sahaza amin’izany.

Njaka A.

Partager sur: