Lehilahy iray maty ary roa naratra mafy teny amin’ny lalam-pirenena faha-34, tsy lavitry ny tetezan’i Sahalombo, distrikan’Antsirabe I, omaly maraina. Mpitandro filaminana ity niharan-doza ity.
Raim-pianakaviana iray namily fiara namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny RN 34 iny, tao amin’ny fokontany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe voalohany, omaly vao mangirandratsy. “Avy any Morondava hikasa hihazo an’Antananarivo io fiara io”, hoy ny nambaran’ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana. Niharan-doza tokony ho tamin’ny 4 ora maraina io 4×4 io. Nivoaka ny arabe, nifatratra tamin’ny andrin-jiro. Potika tanteraka sady nivadika ilay fiara. Nifamonjena ireo tao anatin’ny fiara. Vokatry ny fahavoazana mafy, olona iray namony ny ainy. “Inspecteur principale classe exeptionnelle miasa ao Antananarivo ity niharan-doza ity”, araka ny loharanom-baovao.
Olona roa hafa maty
Nentina namonjy toeram-pitsaboana, minitra vitsy taorian’ny loza, ireo olona hafa niara-dia taminy tao anatin’ny fiara. Olona roa voa mafy tamin’ity tranga niseho omaly maraina ity. Na izany aza, efa manaraka fitsaboana akaiky izy ireo. Eo am-panatanterahana ny fanadihadiana momba ny nahatonga ny loza ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana amin’izao fotoana.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana koa teny Manerinerina, omaly tolakandro. “Roa aloha hatreto no fantatra fa namoy ny ainy. Mitsabo tena ireo maratra”, araka ny fanazavan’ny zandarimaria eo anivon’ny kompania Ankazobe. Taksiborosy nikasa hihazo an’Antananarivo ity tra-doza ity. Karandalana iray avy any Ambovombe ihany koa no nivadika teo Ambohibary Sambaina, omaly. Tsy nisy ny aina nafoy.
Tsiferana R.