Renim-pianakaviana iray 63 taona maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ambohinorina, kaominina Betafo, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny ny tanàna, ireo mpandroba. Nangorona ny omby rehetra tao am-bala izy ireo. Tamin’io fotoana io indrindra, notifirin’ireo tsy mataho-tody ity ramatoa lasibatra ity. Nidarabako tamin’ny tany, tsy tana ny ainy. Nisavoritaka ny manodidina. Nitsoaka niaraka tamin’ny omby nangalariny ireo dahalo. Miisa 11 ireo omby nalainy. Efa nisy ireo omby tafaverina nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandarimaria. Miambina ny kizo ahina handehanan’ireo tsy valahara ny mpitandro filaminana sy ny vatan-dehilahy taorian’ny tranga niseho .
Tsiferana R.