Ady amin’ny kolikoly sy ny mpanera : nohamoraina ny fandraisana olona eny amin’ny fitsarana

Nitondrana fanavaozana sy fanatsarana fomba fiasa ny nametrahana kioska, handraisana ny torohay ho an’ireo manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Iarahana amin’ny fandaharanasa Rindra izany.

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakoto­man­dimby Benjamin Alexis, omaly, tetsy Anosy fa manana zo handeha ho eny amin’ny fitsarana ny rehetra. Matetika anefa matahotra ny olona na koa tsy mahalala ny tokony hataony, araka ny nambarany. “Hanampiana izany sy hanamorana ny amin’ny fikarakarana raharaha eny amin’ny fitsarana sy ny fidirana eny ny anton’ny nanaovana ny kioska”, hoy izy. Ahitana ny torohay avy amin’ireo mpiasan’ny fitsarana amin’ny torolalana tokony hatao izany. Natao hiadiana amin’ny kolikoly sy ny mpanera izany ary hanamora ny filan’ireo olona manan-draharaha eny amin’ny fitsarana, araka ny nambarany hatrany. “Homena fahafaham-po izy ireo ny amin’ny birao na efitra na koa ny maodelin’ny taratasy angatahina. Eo koa ny fahafantarana ireo tetiandro na ora hihaonana amin’ireo mpiasan’ny fitsarana. Tahaka izany koa ny toromarika maimaimpoana avy amin’ireo mpisolovava”, hoy ihany izy. Nanteriny fa ho tonga sy havitrika ny mpampiasa vola teratany sy vahiny rehefa madio ny fitsarana. Hiteraka asa sy hampihena ny fahantrana izany ary hampiroborobo ny mangaraharaha, araka ny nambarany.

Nahazo solosaina miisa 50

Ankoatra izany, nahazo solosaina miisa 50 miaraka amin’ny kojakoja samihafa amin’ny alalan’ny fandaharanasa Rindra koa ireo fitsarana ambaratonga voalohany amin’ny faritany efatra. Iarahana amin’ny USAID sy ny eo anivon’ny Pnud izany fandaharanasa izany ary efa nanomboka tamin’ny telo taona lasa ka hifarana amin’ny taona 2026. Miara-miasa amin’ny kaominina miisa 100 ny fandaharanasa ary mitondra vahaolana koa amin’ny fampihenana ny olana eo amin’ny fananan-tany.

Synèse R.

Partager sur: