“Tsy maintsy itadiavana vahaolana hisolo azy izay nametra-pialana. Tsy maintsy manao ny fanendrena ny lefitry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Antananarivo Renivohitra, ny fanjakana”. Io ny fanazavan’ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fametraham-pialan’ny PDS teo aloha, Ramanantsoa Harilala, noho ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna izay nahazo fankatoavan’ny Ceni. Ny prefet no manolo-kevitra ary ny minisitry ny Atitany no manendry ny filoha lefitry ny PDS vaovao roa, araka ny voalazan’ny lalàna. Ireo lefitra PDS roa ireo no hitantana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Noho ny hamehana, tsy maintsy nenjehina aloha ny fanendrena PDS. Raha ny lalàna, tokony ho izy telo no niara-notendrena. Ny PDS sy ny lefitra roa izany.
Tsy maintsy mandeha amin’ny dingana hoe mangataka any amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny prefektiora noho ny fisian’ny fahabangan-toerana. Ireo mpanolotsain’ny Tanàna amin’izao ka voatana ny firotsahan-kofidiny, tokony hanendry mpanolotsaina vaovao ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana noho ny fahitan’ny prefektiora ny fisian’ny fahabangana-toerana. Rehefa voatendry ireo mpanolotsaina vaovaon’ny kaominina vao manao ny fivoriana handinihana ny tetibolan’ny taona 2025.
R. Nd.