Malalaka ny fampahafantaran’ny kandidà ny laharany anaty biletà tokana amin’ny hetsika ataony. Tsy mbola azo atao kosa ny mitaona ny olona hifidy azy.
Nampahatsiahy ny toromarika momba ny “Pre-campagne” na ny mialoha ny propagandy ny eo anivon’ny Ceni. Tsy voafaritra ao anatin’ny lalàm-pifidianana izany. “Mbola voarara sy tsy azo atao ny fanentanana ny mpifidy hifidy ny kandidà. Azo atao kosa anefa ny fampahafantarana ny mpirotsaka hofidina sy ny laharany anaty biletà tokana”, hoy ny hafatrafatra avy amin’izy ireo, omaly. Any amin’ny fotoan’ny propagandy vao azo atao ny fanentanana ny mpifidy handatsa-bato ho azy.
Anisan’ny nampitana izany ireo kandidà miisa 45 ho an’ny distrikan’Andramasina. Anisan’ny efa azo atao kosa anefa ny mampahafantatra ny mombamomba ny kandidà sy ny vinam-piarahamonina hoentiny hampandrosoana ny kaominina hirotsahany, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni hatrany.
Haino aman-jery
Etsy andaniny, hotanterahina amin’ny tapatapaky ny volana oktobra ny fanombohana ny fanontana ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana ny 11 desambra ho avy izao, amin’ireo kaominina manerana ny Nosy. Hofaritana manaraka amin’ny isan’ny mpifidy ny isan’izany biletà izany ka ilana fotoana sy fiomanana mialoha. “Voahaja avokoa ireo tetiandro napetrakay hatramin’izao”, hoy ny mpampakateny eo anivon’ity rafitra mikarakara sy manomana ny fifidianana ity, i Soava Andriamarotafika.
Efa mandamina ny ho fidiran’ny kandidà amin’ny haino aman-jerim-pirenena koa ny ao amin’ny Ceni, ankehitriny. Misy fepetra takina amin’ny kandidà ny fisitrahana izany. Mandefa mialoha ny horonam-peo na koa ny horonan-tsary eny Alarobia izy ireo. Aorian’izay vao aparitaka ho an’ny mpihaino sy ny mpijery.
Synèse R.