Hentitra ny depiote Raholdina Naivo. “Voaroaka tsy ho TGV intsony ireo mpikambana eo anivon’ny antoko ka tsy manohana ny kandidàn’ny Irmar, Ramanantsoa Harilala”, hoy izy tao amin’ny fahitalavitra iray. Nohitsiny fa tsy tokony hiseho intsony ny fiverenana eo anivon’ny vovonana aorian’ny fifidianana. “Tsy misy toerana ho an’ny mpikarama an’ady aty”, hoy ihany izy.
Efa miomana amin’ny paikady hiatrehina sy hiadiana amin’ny hala-bato ny avy amin’ny Firaisankina. Nambaran’ny depiote Ralambozafimbololona Fetra fa efa miray tendro amin’ireo mpikamban’ny birao fandatsaham-bato ny kandidàm-panjakana. “Ketrehin’izy ireo hofenoina mialoha ny vata mangarahara ankoatra ny fampiasana karapanondro hosoka”, hoy izy.
Mitaky fitoniana politika ny ambasadaoro Britanika. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny ambasadaoro vaovao an’i Grande Bretagne, i Patrick Martin Lynch, afakomaly, teny Mahazoarivo. Nanteriny fa ilaina ny fitoniana ahafahana mampiakatra ny lanjan’ny toekarena malagasy.