Niaiky ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, fa tena potika sy matiantoka ireo orinasa madinika sy salantsalany noho ny delestazy. “Eo am-panaovana ny voloko mihitsy aho no tapaka ny jiro. Sahirana ireo orinasakely amin’izao fahatapahan-jiro isan’andro izao”, hoy izy. Manantena anefa ny tenany fa hahita vahaolana ny filoha Rajoelina.
Nitaraina ireo mpikambana sasany eny ifotony eo anivon’ny Tim fa maro ireo nikasa ho kandidà ben’ny Tanàna no voahilika tamin’ny ora farany. Nohitsin’izy ireo fa lasa manjaka ny kinamanamana sy ny fanavahan’olona mba hampidirana olon-kafa ho kandidà. Tonga hatramin’ny resa-bola aza izany, araka ny nambaran’ny sasany amin’izy ireo.
Nahitsy ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, ny herinandro teo, fa mihemotra ny famatsiana rano eto amintsika. “Tsy manana finiavana hamaha ny olan’ny rano sy ny jiro ireo tompon’andraikitra fa manao kajikajy hamotehana ny orinasa Jirama mba hanamorana ny fisintahan’ny fanjakana avy eo”, hoy izy.
Nisitraka fizahana fahasalamana maimaimpoana ireo mpiady tia tanindrazana ao amin’ny distrikan’i Moramanga, ny herinandro teo. Nosafidiana manokana ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona. Nanatontosa izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fitaleavan’ny Mpiady tia tanindrazana ary ny Bataillon médical Ampahibe.