Niteraka fitohanan’ny fifamoivizana ny fifandonana teo amin’ny kamiao sy fiara tsy mataho-dalana an’ny orinasana tambajotram-pifandraisana iray tetsy Ankorondrano, omaly tolakandro. Niditra ny fihodinana (rond-point) mihazo ny lalamby, voafaokan’ilay kamiao teo amin’ny valahany ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy fantatra mazava ny antony nampisy ny fifandonana. Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fandaminana ny fifamoivoizana teo an-toerana ny mpitandro filaminana. Simba tanteraka ny valahan’ilay fiara 4×4. Marihina fa nitambotsitra tampoka tao anatin’ny fiara ny mpamilin’ny kamiao ka tsy tana ny ainy rehefa tonga teny anivon’ny hopitaly. Tsiahivina, niseholany ny lozam-pifamoivoizana tao anatin’ny telo herinandro lasa ho an’ny teto an-dRenivohitra. Tsy fitandreman’ny mpamily, hamamoana eny am-pamiliana sy tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana no fositra miteraka ireo loza.
Tsiferana R.