Ady amin’ny kolikoly : hatao “digitalisation” ny sora-piankohonana

Nanao atrikasa ho fampiroboroboana ny Paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) ny eo anivon’ny Komitin’ny fahitsiana (CSI) sy ny avy amin’ny Sami­fin, omaly, tetsy Antanimena. Niatrika izany koa ny eo anivon’ny Pac sy ny Arai ary ny Bianco, notronin’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fampandrosoana niomerika. Niom­panan’ny atrikasa hitohy, anio, ny fametrahana ny mangarahara, ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny alalan’ny “Digitalisation”. Hampi­dirina ara-informatika ny sora-piankohonana mba hiadiana amin’ny kolikoly amin’izao dingana faharoa amin’ny SNLCC izao. Eo koa ny fiarovana ireo antontan-kevitra samihafa ary ny fomba hanaraha-maso ireo mety ho endrika kolikoly. “Ezahina ampifanarahana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena koa anefa izany, ankoatra ny fepetra takin’ny fi­fanarahana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly”, hoy ireo nandray fitenenana.
Nambaran’izy ireo fa natao hanamafisana ny fandalana ny mangarahara izany. No­tsindrina manokana ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny Fran­kofonia (OIF) amin’ny fanaovana ny sora-piankohonana, anisan’ny zo fototra maha olona. “Tokony hanana fitokisana amin’izany ny olom-pirenena, satria sady voasoroka ny mety ho fanararaotana samihafa”, hoy ny filohan’ny CSI. Voatsiahy tamin’izany koa ny fifanarahan’ny Firene­na mikambana (ONU) iadiana amin’ny kolikoly ny amin’ny tokony hametrahan’ny fanjakana tsirairay ezaka. Anisan’ izany ireo fepetra amin’ny fitantanan-draharaha sy ny fi­sorohana mialoha ny kolikoly.

Synèse R.

Partager sur: