Misesy ny hetsika ara-javakanto any Toamasina. Taorian’ny “Star tour” sy mialoha ny “Makua Music Festivals”, handray ny “Fullmoon Dj Festival” ny renivohitry ny faritra Atsinanana, ny 18 sy ny 19 oktobra ho avy izao. Hetsika goavana eo amin’ny sehatry ny fanafanana alim-pandihizana izy ity, satria dia handray ireo vahiny mpikosoka kapila maro i Toamasina. Tsy vitan’izay fa haharitra 48 ora tsy ankiato ity hetsika hatao ao amin’ny Hôtel Neptune ity, hitetezana ireo karazana mozika maneran-tany.
Anisan’ireo andrasana mandritra izany ry The Lord avy any Frantsa sy i Big Ali avy any Etazonia, izay tsy vaovao eto Madagasikara satria efa nandalo nanafana ny fetin’ny Fahaleovantena. Eo koa i Antwan Dago, avy atsy La Réunion izay tsy vaovao amin’ny tontolon’ny mozika eto Madagasikara ihany koa. Hanampy ireo ry Dj K Rim (Frantsa), John Dean (Frantsa), Dj Scoubi (La Réunion), Bradih Dibrah (Norvège), Dj Thomas (La Réunion). Tsy ho tara amin’ity hetsika ity koa ireo Malagasy mpikosoka kapila toa an-dry Big Jo, Landry Fabrino, Dj John Daniel, sns.
Tsy fikosehana kapila ihany, fa tian’ny mpikarakara hasongadina mandritra ny hetsika ihany koa ny maha tsy misy fefy ny mozika. Handray Anjara ao koa ny Zanaray Percussions, mpilalao karazan’amponga hampiaina ny karazan-gadona maroloko voiziny. Eo koa ilay mpitsoka saxophone, i Kevin Mirija.
Marihina fa hetsika karakarain’i Big Jo, anisan’ireo zokiny sy nalaza indrindra amin’ny fikosehana kapila ny “Full Moon Dj Festival”.
Zo ny Aina