FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny kandidà, Ravalomanana Tojo, fa ilaina ovaina ny firafitry ny fifampitondrana sosialy eto Antananarivo. Nambarany fa hapetraka izany mba tsy hiangona ny fako sy tsy hiakatra ny rano, tsy hamofona ny tatatra… “Ho velona ara-dalàna ny mponina ao aminy. Hifampitantana hiray hina hitondra fanovana tsy mbola nisy hatrizay isika ka hiposaka ny fanantenana”, hoy izy.
Hosalorana samboady ny zoma maraina izao ireo solombavambahoaka voafidy tany amin’ny faritra Vakinankaratra, avy amin’ireo distrika any an-toerana. Hiaraka amin’izany koa ny an’ireo depiote voafidy amin’ny faritra Analamanga. Hotanterahina eo amin’ny
Avenu de la Gare Antsirabe ny lanonana ary ho hafanain’ny mpanakanto maromaro.
Miantso ary maniry ny hanaovana adihevitra eo amin’ireo samy kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra, ny kandidà Razanamasy Ndriana. Nambarany fa ilaina izany na ho santatra ihany aza aloha amin’ireo kandidà miisa fito mianadahy, mirotsaka hofidiana eto amin’ny fari-pifidianana Antananarivo.
Nomen’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana Marc, toromarika ary notsofina rano ireo kandidàn’ity antoko ity, ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo, omaly, teny Faravohitra. Handimby azy ireo ny alakamisy izao koa ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy any amin’ny distrikan’Andramasina.

Partager sur: