Depiote Rafidimanana Désiré : «Hosorohana mialoha ny tondradrano»

Mikaro-bahaolana hatrany. Nanao dinika fiaraha-miasa tamin’ny Apipa, teny Anosizato, omaly , ny depioten’ny boriborintany fahefatra, Rafidimanana Désiré.

Nambarany tamin’izany fa tafiditra ho amin’ny famaliana ny hetahetam-bahoaka ny dinika. Voa­resaka tamin’ny tale jeneralin’ny Apipa, Rafidimanantsoa Tojoandry Tiana, ny tokony hamahana ny olana mahazo ny mponina eny amin’ny faritra iva, eny amin’izy ireo, rehefa fotoam-pahavaratra. “Tsy maintsy tadiavina ny fomba rehetra sy ny asa fisorohana hatao mba tsy hisian’ny tondradrano sy hitandrovana ny fahasalamam-bahoaka”, hoy ny depioten’ny boriborintany fahefatra. Nanteriny fa efa manao ezaka ny fitondram-panjakana amin’ny fanadiovana. Mivaingana sy efa azo tsapain-tanana ny asa vita ary efa hita eny amin’ny lakandrano C3 sy ny manodidina izany, araka ny nambarany. “Hitohy hatrany ny fihaonana amin’ny tomponandraikitra tahaka izao ary hohamafisina ny fiaraha-mientana amin’ny Apipa sy ny vahoakan’ny boroborintany fahefatra” hoy ihany izy.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka eny ifotony
Etsy andaniny, notsindriny fa tsy mitsahatra ny mihaino ny hetahetam-bahoaka sy midina eny ifotony, mihaona mivantana amin’ny vahoaka ary mikaroka vahaolana hatrany ny tenany. Tafiditra ao anatin’izany ny fijerena ny sosialim-bahoaka ka anisan’ireo depiote hiady ho amin’izany amin’ny tetibolam-panjakana, taona 2025, ny tenany.

Synèse R.

Partager sur: