Fanavotana ny firenena : Ilaina ny fiaraha-manatanteraka

Nanatanteraka fihaonana ireo Malagasy manam-pahaizana maro, mpitondra fivavahana samihafa, fikambanana maro, tetsy amin’ny FJKM Atsimon’i Mahamasina, afakomaly. Nitondran’izy ireo anjara biriky amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny Malagasy iray manontolo. «Ampy izay ny resabe, ampy izay ny fampanantenana, ampy izay ny fanakianana tsy mitondra vokatra. Mila vahaolana azo tanterahina ny vahoaka sy ny firenena», raha ny fanambarana nataon’izy ireo teny an-toerana. Manodidina ny 10 ireo vahaolana naroson’izy ireo nandritra izany. Voalohany, ny tokony hamerenana sy hankalazana, ho andro tsy fiasana, ny 14 oktobra eto amin’ny firenena. Faharoa, ny mahakasika ny famatsiana jiro eto amin’ny Nosy, manoloana ny fahatapahana mateti-piseho. Eo koa ny fampijoroana sy fanamafisana orina ny fokonolona eny ifotony. Fahefatra, ny tokony hanomezan-danja bebe kokoa ny fokonolona amin’ny lafiny fitantanana ny fananantany sy ny fomba fampiasana ny tany. Manaraka izany ny fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ho miabo sy feno.

Mino

Partager sur: