Sivana teny tsimbazaza : velon’ahiahy ny Holafitry ny mpanao gazety

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), manoloana ny tranga niseho teny Tsimbazaza, omaly. Ahin’izy ireo ho tsy voahaja ny zo fototra eo amin’ny fahahalahan’ny asa fanaovan-gazety.

Nambaran’ny OJM fa ahina ny tsy fanajana ny zo fototra ho an’ny olom-pirenena amin’ny hahazoana vaovao. Nisehoana fanakanana ny ampahany tamin’ny mpanao gazety ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Nisy lisitry ny orinasan-gazety nomena ireo mpiambina teny am-bavahady ka ireo mpanao gazety voarakitra tanatin’ny lisitra ihany no nomena alalana hiiditra. Navela niditra ihany ireo mpanao gazety rehefa nifampiresaka saingy tsy navelan’ireo mpiambina namonjy ny toeram-pivoriana izy ireo. Voalaza ho ny fahateren’ny toerana no antony nanakanana azy ireo. Niravona ny olana taorian’ny fandraisana andraikitra marolafy.
Notsiahivin’ny OJM anefa ny And 77 amin’ny Lalàm­panorenana fa azon’ny daholobe atrehina ny fivoriana ao amin’ny Antenimiera, raha tsy hoe misy ny fangatahan’ny ampahefatr’ireo mpikambana hanao fivoriana mikaton-trano. “Lanonana azon’ny daholobe atrehina ny lanonam-panokafana ny fivoriana ara-potoana. Maro ireo mpanaraka ireo mpikambana ao amin’ny governemanta nahazo nanatrika ny fotoana. Teo ihany koa ireo mpaka sary, tsy mpanao gazety”, hoy ny fanambarana. Nahagaga ny OJM ny fanapahan-kevitra hoe singanina manokana ireo orinasan-gazety mahazo na tsia manatrika ny lanonana eny Tsimbazaza.

Zo fototra ny fahazoana vaovao
Nambaran’ny OJM koa fa voalazan’ny Lalàmpanorena­na ny fahazoan’ny olom-pirenena vaovao. “Zo fototra iza­ny. Antoka isitrahan’ny olom-pirenena izany zo fototra izany ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahan’ny mpanao gazety mi­trandraka vaovao marina sy marim-pototra”, hoy ihany ny OJM. Nambarany koa fa zon’ny mpanao gazety ny mitrandraka vaovao, tsy azo sakantsakanana, tsy misy fandrahonana, lavitry ny herisetra, ho amin’ny tranga momba ny tombontsoam-bahoaka. Ani­san’izany ireo dinika sy kabary ao amin’ny Antenimieram­pirenena sady iankinan’ny fiainam-pirenena tokoa, araka ny fanambarana hatrany.

Synèse R.

Partager sur: