Tontolon’ny fitsarana : tsy handefitra amin’ireo manao kolikoly ny minisitera

Anisan’ny nivoitra tamin’ny fananganan-tsaina, teny amin’ny fonjaben’ Antanimora, ny alatsinainy 14 oktobra teo, ny toromarika sy hafatrafatry ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina. Nambarany fa naharay fitarainana ny eo anivon’ny minisitera ka hodinihina ny fahamarinany. “Han­draisana fepetra izy ireny ka tsy hasiana famindram-po amin’ireo tratra manao izany. Efa maromaro ny tomponandraikitra nahantona tamin’ny asany tato ho ato”, hoy izy. Nanteriny fa manana zo tanteraka hitondra ny fitarainany eny anivon’ny fitsarana ny vahoaka ary antony nahatonga ilay andry napetraky ny filohan’ny Repoblika ho fanandratana ny maha olona sy ny andry fahatelo momba ny fitsarana tsara tantana izany. Nohitsiny fa mandray fepetra ny fitsarana mba hitondra fanadiovana. “Tsy ny vitsy anisa no handoto ny fitsarana iray manontolo”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nitondrany fanazavana koa ny momba ny fifaninanana hidirana amin’ny fitsarana. Nambarany fa tokony handeha amim-pahamarinana ny fitsarana ny fanadinana sy ny laza adina. “Tsy tokony hiseho ny filazana fa olon’ny minisitra na ny sekretera jeneraly, na tomponandraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny Fitsarana”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: