Hafa kely indray ! Nisy zavatra tsy nifanarahana teo amin’ireto jiolahy nifamono tao Antsarakofafa Toamasina, ny talata alina teo. Notsatotsatohan’ireo namany tamin’ny antsy ny jiolahy iray…
Jiolahy samy jiolahy indray no nifamono tamin’ny fomba feno habibiana. Jiolahy iray 28 taona fantatra amin’ny anaram-bositra i Dàna. Maty vokatry ny tsatok’antsy nataon’ireo namany izy, tao amin’ny fokontany Antsarakofafa Toamasina, omaly alina. Tsatok’antsy miisa dimy no hita tamin’ny vatany. Nisy teo amin’ny am-bavafony, teo amin’ny tratrany havia sy ambany helika. Tsy vitan’ny tsatok’antsy fa mbola niampy daroka mafy. Manaporofo izany ireo mangana hita tamin’ny vatany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay niharam-boina. Ny angom-baovao voaray no nahalalana fa mbola tao anatin’ny fotoana nahamaro ireo olona nifamezivezy teny amin’ny lalam-pasika no nitrangan’izany.
Mitohy ny famotorana
Mbola maro ireo toeram-pivarotana zava-pisotro nisokatra tamin’iny faritra iny. Nisy nahatsikaritra ny fiarahan’ireto jiolahy ireto anefa ny olona teo amin’ny manodidina. Samy natahotra rahateo ny olona nahita azy ireo. Tsy fantatra izay zava-nisy fa novonoin’ireo namany tampoka ity jiolahy niharam-boina ity.
Nambaran’ireo fianakaviany naka ny razana teny amin’ny tranom-patin’ny Hopitalibe Toamasina fa tsy miasa ity jiolahy maty ity. Mpinamana amin’ny jiolahy izy. Tombanana ho nisy zavatra tsy nifarahana teo amin’izy ireo ka niafara tamin’ny valifaty izany. Mandeha ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity.
Sajo