Antohomadinika : mpanao vola sandoka notanana am-ponja

Niakatra fampanoavana, omaly, niara-notanana vonjimaika any am-ponja ny mpanao vola sandoka roa lahy tratra tetsy Antaniavo-Antoho­madinika, boriboritany voalohany. Mody nividy sigara tamin’ny mpivarotra teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Anto­homadinika sy Mahitsy izy roa lahy, ny talata 15 oktobra teo. Nanolotra vola 20 000 Ar ho an’ny mpivarotra ireto farany ka niandry famerim-bola. Nahatsikaritra zavatra hafahafa anefa io mpivarotra io. Fantany fa vola sandoka ity nomena azy ity. Nampandre ny mpitandro filaminana tsy lavitra teo izy. Notanana ireo roa lahy. Nosavaina tany aminy. Nahatrarana ody ratsy niampy vato sarobidy maromaro. Tsy vitan’io, nitana vola sandoka mitetina 900 000 Ar izy roa lahy. Tsy afa-nandositra ny mpitandro filaminana intsony ireto farany. Nentina natao famotorana ary natolotra ny fampanoavana. No­giazana avokoa ny vola sandoka niampy ny ody ratsy tratra teny amin’izy ireo. Marihina, fomban’ireo olon-dratsy tato ho ato ny mitondra vola sandoka ary mody mividy zavatra mitety mpivarotra. Ilaina fahamailoana hatrany, araka izany, ny fanaraha-maso ny vola ampiasaina.

Tsiferana R.

Partager sur: