Antoetra : taolam-paty marobe hita tao anaty gony

Nahitana gony feno taolam-paty tao Ambatolahy fokontany Antoetra distrikan’ Ambositra, omaly tolakandro. Mpianatra avy nirava nianatra no nampandre ireo zandary mpanao fisafoana momba ny fisian’ireto taolam-paty marobe tanaty gony ireto. Nidina ifotony niaraka tamin’ny polisim-bohitra sy ny sefo fokontany niaraka tamin’ny fokonolona vitsivitsy ny zandary. Voamarina tokoa ny fisian’ireo gony feno taolam-paty. Nen­tina niakatra namonjy ny bi­raon’ny zana-tobim-paritra avy hatrany hanaovana fizahana ireto taolana ireto. Tao anatin’izany no nahitana fa taolan-dava miisa 122 no hita tao anatin’ireo gony ireo. Taorian’ny fitsirihana nataon’ny zandary, nomena ny sefo fokontany Tetezandrotra sy ireo fianakaviana tompon’ny fasana vaky ireo taolana ma­robe ireo. Fantatra fa nitrangana vaky fasana tao amina fasam-pianakaviana iray tao an-toerana. Voapo­rofo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary ireto taolana ireto tokoa no nalain’ireo olon-dratsy tamin’io fasana io. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ahina ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: