Hanao ahoana ny fifidianana kaominaly amin’izao? Eny, na ny demokrasia amin’izany aza… Maneho ny fijeriny ny ny filoha nasionalin’ny Teza, Rakotoamboa Jean-Louis: “Ny fitsipi-dalao amin’ny demokrasia no mila hahitsy tanteraka: ny Lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna momba ny antoko politika, ny lalàna mifehy ny sersera… ” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Nahoana no mihamahazo vahana amin’ny fifidianana ny tsy miankina mitaha amin’ny antoko politika?
Rakotoamboa Jean-Louis (-): Tsy mety ny fitsipi-dalao momba ny demokrasia tandrefana ampiharina aty amin’ny firenena madinika. Mila volabe ny fahazoan’ny antoko miatrika fifidianana. Nambaran’i Emmanuel Adjovi amin’ny bokiny, ohatra, fa 43 tapitrisa dolara no lanin’ny antoko iray tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika, 2018. Iza ny antoko manana izany amin’izao, raha tsy misy mamatsy tsy mazava? Miasa amin’ny fari-pifidianana iray fotsiny, ohatra, ny mahaleo tena. Izay no mety ho zakany.
Raha antoko madio sy te hanao politika araka ny tokony ho izy, tsy afa-manam-bola ho amin’ny fifidianana amin’io fitsipi-dalao io. Misy avy any ivelany manosika ny mpanao politika hirotsa-kofidina, nefa haingon-tsehatra fotsiny hoe tena misy demokrasia eto. Nefa ny rafitra sy ny fomba tandrefana mihidy toy io. Midongy fotsiny, ohatra, ny depiote mpanohitra amin’izany, fa tsy afa-manao inona. Raha ao amin’ny fitsipi-dalao, ohatra, hoe mahazo mitaky fanaovana fanadihadiana parlemantera ny vondrona parlemantera iray: hafa indray izay.
* Inona no hanarenana an’izany rehetra izany?
WNy fitsipi-dalao amin’ny demokrasia no mila hahitsy tanteraka: ny Lalàmpanorenana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàna momba ny antoko politika, ny lalàna mifehy ny serasera. Eo koa ny didy hitsivolana momba ny fahazoana manao hetsika an-dalambe. Mila mifandray hatrany amin’ny vahoaka ary midina ifotony ny asan’ny antoka: milaza ny olana, ny filany, mitady vahaolana… Nefa sakanana raha vao manao an’izany nefa asa. Izay no tsy mahamety ny demokrasia eto amintsika.
Ho anay manokana, atosika hidina any ifotony ny mpikambana: inona ny olana, ny filana, ny ny vahaolana… ? Manangana ekipa hatrany ifotony hitondra ny firenena. Rahefa tonga ny fifidianana, havoaka amin’izany ny olana sy ny vahaolana mbamin’ny ekipa hitarika. Izany no tena demokrasia ilaina. Nefa tsy afa-manao an’izany eto amintsika, raha vao mamory olona fotsiny.
Nangonin’i R. Nd.