Diplaomasia: marolafy ny fiaraha-miasa amin’ i Rwanda

“Tena miara-miasa akaiky i Rwanda sy i Madagasikara, izay firenena roa tena manana fifandraisana mipetraka ary mbola handalina misimisy izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny roa tonta”. Io no nambaran’ny ambasadaoron’i Rwanda, Sem Emmanuel Hategeka, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, omaly, taorian’ny fanolorany ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry. Ao anatin’ny sehatra iaraha-miasa ny fampivoarana ny maha olona, ny fampiroboroboana ny fizahantany, ny fambolena, ny fahaiza-mitantana. Manantena ny fiaraha-miasa akaiky sy misimisy kokoa hatrany amin’ireo andrimpanjakana misy eto Madagasikara izy. Mba hahazoana mampivelatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany.
Nanolotra ny taratasy fanendrena azy koa ny ambasadaoron’i Italie eto Mada­gasikara ary honina atsy Prétoria, Afrika Atsimo, Sem Alberto Vecchi. Nambarany fa maro ny hahazoana miara-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Italie, izay mifantoka amin’ny fambolena, ny fampiofanana amin’ny asa, ny fizahantany…

R. Nd.

Partager sur: