Birao maharitry ny Antenimiera: misy ketrehina haongana !

Telo volana taorian’ny nijoroan’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, miala any ny tetika fanonganana. Lasibatra ny mpitantana ny resa-bola sy ny tombontsoan’ny depiote.

Nahoraka teny amin’ny Antenimerampirenena, nanomboka tamin’ny fa­no­kafana ny fotoam-pivorian ara-potoana faharoa ny mo­mba ny fanonganana ny birao maharitra. Raha ny angom-baovao teny Tsimbazaza, oma­ly, lohalisitra tamin’ny olona tokony naongana ny kestora voalohany, Rivotiana Richard Jean Bosco, voafidy tao amin’ny distrikan’i Lalan­gina. Ny tsy fahafehezana ny andraikitra ankinina aminy sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanatanteraka no voalaza fa antony mahatonga ny fikasana ny hanongotra azy amin’ny toerana.
Nitsefotra sy maty ankaranany anefa ny tetika ny hanilika azy amin’ny toerany satria misy ny ampahana solombavam-bahoaka miezaka ny mandravona sy mitady vahaolana. « Mariky ny faharefoan’ny andrimpanjakana misy anay raha izao sahady dia hisy olona hiongana ato. Hiitatra toa sima misioka io ka tsy maintsy sorohana. Na izany aza mila mitandrina ny fitondrana fa midika zava-dalina ny zava-misy. Tsy ny kestora irery no voatohintohina fa na ireo mpikambana amin’ny birao maharitra efa nanana traikefa, saingy minia mikipy sy miray tsikombakomba», hoy ny solombavambahoaka iray nanaovana fanadihadiana.

Samy manana ny andraikiny
« Tokony hipetraka amin’ny toerany avokoa ny tomponandraikitra. Manana tetibola sy fitantanana mahaleo tena ny Antenimerampirenena koa inona no hijabahan’ny minisiteran’ny Ekonomia sy ny tetibola. Ity farany no fositra amin’ny fampitarazoana ny famoahana ny zava-drehetra. Manoloana izany, tokony hijoro ireo mpitantana nomem-pahefana ato amin’ny Antemierampirenena », hoy kosa ny solombavambahoaka iray hafa naneho heviny.
Ankoatra ny lonilony ara-bola sy ny tombontsoa tsy takona afenina ny ady mangatsiaka eo amin’ny samy depiote Irmar. Andaniny, ireo vao misandratra amin’ny politika nahazo seza. Ankilany, ireo efa galy fantsy very toerana. Tsy miady tsy miady fa ny kibay an-kelika ihany !

Riana Raymond

Partager sur: