Iray maty, telo naratra: fiara nilatsaka tanaty hantsana

Olona roa niara-maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Lehilahy iray teny Imerinkasinina, vehivavy teratany vahiny tetsy Tsarasaotra. Telo maratra, manaraka fitsaboana hatramin’ny omaly.

Maty tsy tra-drano ny tovolahy vao erotrerony ary telo mianadahy naratra mafy teny Ime­rinkasinina, ny harivan’ny alarobia teo, tamin’ny 4 ora tolakandro. Niaraka samy mpinamana ireo tanora efatra mianadahy. “Nahita olona niampita tampoka ny mpamily ka niala”, hoy ny fanazavana voaray. Nivoaka ny arabe anefa ilay fiara. Nivadibadika tany anaty hantsana. Vokany, namoy ny ainy noho ny fahavoazany ny lehilahy iray. Ni­famonjena nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ny lehilahy iray hafa sy vehivavy roa. “Ma­naraka fitsaboana akaiky izy ireo. Voa mafy tao amin’ny lamosiny ilay lehilahy ary tapaka ny fen’ny vehivavy iray”, hoy ny loharanom-baovao. Misokatra ny fanadihadiana.

Mpizahatany ny iray

Fiara starex iray nitondra teratany vahiny mpizahatany nidona tamin’ny kamiao teny amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato, ny alin’ny alarobia teo tamin’ny 9 ora. Nandeha mafy ny fiara. Naha­tazana jiro mazava ny mpamily kinanjo nisy kamiao tampoka teo alohany. Potika tanteraka ny lohan’ilay Starex. No­sokirina tao anatin’ilay fiara ny vehivavy teratany vahiny. Avy any Lituanie io namoy ny ainy io. Miisa dimy izy ireo no tao anatin’ny fiara. Maika hamonjy ora fiaingana eny Ivato ny fiara nitondra azy ireo, araka ny loharanom-baovao. Nen­ti­na nihazo ny toeram-pitsaboana ireo naratra. Hiakatra fampanoavana anio ny mpamilin’ilay fiara Starex sy ilay kamiao. Fehiny, nitrangana lozam-pifamoivoizana roa samihafa teto an-dRenivohi­tra, afa­komaly. Fandehanana mafy avokoa no nitarika ny fahavoazana.

Tsiferana R.

Partager sur: