Taorian’ny naharavan’ny polisin’ny Fip ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina, ireo mpianatra indray no iharan’ny herisetra ataon’ireo olon-dratsy. Mihorohoro manoloana izany ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Ny alarobia tolakandro teo, nandritra ny fotoana firavan’ny mpianatra, teo amin’ny rond-point Tanamakoa Toamasina, nisy andian-jatovo maromaro naka an-keriny ny kitapon’ny mpianatra. Lasan’ireo mpandroba avokoa ny fitaovam-pianarana rehetra. Hatairana ny an’ireo mpianatra ka lasa mandositra avy hatrany, tavela hatramin’ny kapa, latsaka ny satroka. Raofin’ireo olon-dratsy avokoa ny entan’izy ireo. Ranomaso, hikiaka sisa ny an’ireo ankizy mpianatra tamina sekoly tsy miankina iray niharan’izany tao Tanamakoa. Trangana tsy fandriampahalemana amin’ny endriny hafa kely indray, araka izany, no mihatra amin’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo ray aman-dreny sasany, vao ny herinandro teo no nisy mpianatry ny Lycée Jacques Rabemananjara nendahin’ny jiolahy telo nitondra fitaovam-piadiana. Tsy lasa lavitra anefa izy ireo ka nifanehatra tamin’ny polisin’ny Fip.
Sajo