Namono zaza efa-taona : voasaringotra ny renikeliny

Nosamborin’ny zandarimaria ny vehivavy iray 23 taona voatondro ho namono ny zana-badiny ka tratra tao Soanafindra, fokontany Fe­noarivo, kaominina Belo­baka, ny 16 oktobra lasa teo. Naha­ray loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa zazalahy 4 taona maty tamin’ny fomba nampiahiahy ny fianakaviany tao amin’io kaominina io, ny 12 oktobra teo. Niara-nipetraka tamin’ilay rangahy vadiny sy io zaza io ity vehivavy ity. Tsy nisy nahalala loatra ny fomba fiainan’izy ireo ny manodidina saingy voamarina tamin’ny loharanom-baovao azon’ny zandary fa nampijalian’io re­nikeliny io ilay zazalahy. Niafara tamin’ny famoizana aina an’ity farany anefa izany famonoana izany. Niroso
ta­min’ny fikarakarana ny zaza maty ny fianakaviany. Name­tra­ka fitoriana sy nangataka hanokafana fanadihadiana noho ny fahafatesana nampiahiahy. Nandositra tany amin’ny ray aman-dreniny kosa ilay voalaza ho renikely. Nidina ifotony ny ma­nam-pahefana ka tra-tehaka izy. Nentina natao famotorana anivon’ny Tobim-paritra Be­lo­­baka. Nampiakarina vonjimaika any Tsiroano­mandidy taorian’ny fakana am-bavany hiarovana ny ain’ity farany. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: