Vondrom-bahoaka eny ifotony : hisy ny fanatsarana ny famatsiam-bola

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny momba ny fitsidihana fifanakalozana ny Tahirim-bola fampindramam-bola ho an’ny vondrom-bahoakan’i Côte d’Ivoi­re, atao eto Antananarivo, ny 25 hatramin’ny 29 novambra ho avy izao. Ny mahakasika ny famatsiam-bola sy fanatsarana ny fomba fiasan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no hisongadina mandritra izany. Eo ihany koa ny fivoriambe ara-potoan’ny “Reseau des institutions africaines de financement des colléctivités » (RIAFCO).
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ireo vondrona sy fikambanana iraisam-pirenena ho fanatanterahana ny vina sy fanambin’ny fitondram-panjakana. Anisan’izany, ny fanomezan-danja ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mba hisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Manana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ireo vondrom-bahoaka eny ifotony ary zava-dehibe ny famatsiam-bolan’izy ireo amin’ny fanomezana tolotra sy fotodrafitrasa manakaiky vahoaka. Ny «Insti­tu­tions de financement des colléctivités locales » (LCFIs) dia eken’ny fifanarahana iraisam-pirenena, toy ny fifanarahan’i Addis Abeba sy ny «Nouvel agenda urbain», ho fanoitra amin’ny famatsiam-bola ho an’ ny fanovana an-tanàn-dehibe.
Mandritra io fitsidihana hatao eto Madagasikara io no hisian’ny atrikasa iarahana amin’ireo manam-pahaizana sy mpiara-miombon’antoka iresahana momba ny fama­tsiam-bola sy fomba fiasa vaovao ho an’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

Lin

Partager sur: