FANTINA sy FINTINA

Nomen’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalo­manana Marc, toromarika hiatrehina ny fifidianana
ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy any Bongolava sy ny distrikan’Andramasina, omaly, teny Faravohitra. Teo koa ny namahana ireo olana samihafa ary ny nametrahana ny paikady sy ny fampahafantarana ireo lalàna.

Nanao fanambarana ny MTS any Mahajanga, fa manohana ny kandidàn’ny HVM, Rakotovao Rivo, amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna any an-toerana. Tsiahivina fa kandidà ben’ny Tanàna ao Toamasina ny mpanorina ny MTS, Ratsiraka Roland. Mifanohana izany ny samy mpanohitra.

Voafidy ho filohan’ny Vaomieran’ny fifandraisana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny depiote voafidy tany Miarinarivo, i Fetra Rakotondrasoa. Nisolo ny toeran’ny depiote teo aloha lasa minisitry ny Sera­sera sy ny fifandraisana, Volamiranty Mara Donna, ny tenany manomboka izao.

Tafapetraka afakomaly, ny filohan’ny fitsa­rana eny Avaradrano, Rasamimanana Zoliarinoro Saholy. Tahaka izany koa ny tonia mpampanoa lalàna, Feno Ghislain Henri. Hanala fahasahiranana eny amin’iny faritra iny ny fisokafan’ny Lapan’ny fitsarana eny an-toerana. Voalaza fa tsy very ny raharaha mbola tsy voatsara, nentina teny amin’ny fitsarana Anosy.

Partager sur: