Raindahiny : dahalo iray lavon’ ny zandary

Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary ny dahalo raindahiny, tao amin’ny fokontany Ambohimiarina Tsaramandroso, distrikan’Ambatoboeny, omaly. Avy nanao fanafihana tokantrano, tao amin’ity fokontany ity, no nifanehatra tamin’ny zandary. Tao anatin’ny sakana nataon’ny
zandary no nahalavo azy. Malaso efatra hafa kosa tafapori­tsaka na efa naratra voatifitra aza. Voalaza fa miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ry zalahy. Maro ny fanafihana vitan’ireto andian-dahalo ireto tao anatin’ny distri­kan’Ambatoboeny. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary amin’ny fikarohana ireo tafaporitsaka.

J.C

Partager sur: