Tranga hafahafa eny an-tsekoly: mila mailo !

Mateti-piseho ny tranga hafahafa eny an-tsekoly: mitsipatsipaka sy torana ny mpianatra. Misy milaza fa ambalavelona. Ny sekoly sasany manamafy fa loza na hanoanana. Mila mailo sy mitandrina!

Mpianatra miisa folo in­dray torana tetsy amin’ ny sekoly iray etsy Man­droseza, omaly maraina. “Fo­fona entona mahery no nitarika ny voina. Niparitaka vetivety io fofona io ka tsy zakan’ireo mpi­anatra”, araka ny fanazavana azo teny an-toerana. Nanom­boka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina, niakatra io fofona entona io. Tsy nahazaka anefa ireo mpianatra ka nisesisesy ireo safotra tsy nahatsiaro tena. Tsy nahazaka ny fahitana ireo namany hafa ny ankamaroan’ ny sasany. “Nikiakiaka nitomany, sempotra, torana ireo mpianatra izay niisa folo”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Nora­vana avy hatrany ny fampianarana. Nivoaka ny trano fianarana ireo efa tao an-dakilasy. Nisy tamin’ireo ankizy efa nivoaka ivelan’ny sekoly narary tampoka ka niverina niditra. “Amin’ny ankapobeny, ankizy manana aretina amin’ny taovam-pisefoana ireo lasibatra ireo ary manodidina ny folo eo izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny nanatri-maso. Notsaboina teo no ho eo ireo zaza. Manodidina ny 12 ha­tramin’ny 16 taona ireo safotra.
Tranga telo

Tao anatin’ny iray volana, tranga hafahafa miisa telo no niseho teto an-dRenivohitra. Taorian’ny fisiana andiana mpianatra safotra tampoka teny amin’ny sekoly iray teny Itaosy, izay voalazan’ny tomponandraikitry ny sekoly fa azon’ny “spasmophilie” ireo zaza, toeram-pianarana iray teny Soavina koa nitrangana toe-javatra tsy mifanalavitra tamin’izany. Omaly, ity nisehoana tranga izay saika mifandraika amin’ireo voalaza ireo. Tsy fantatra mazava ny tena misiterin’ity tranga ity ha­treto. Ilaina fahamailoana hatrany ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpianatra. Anisan’ny tomponandraikitra feno ny sekoly, izay manao fanorenana mety amin’ ny toerana tsy araka ny fenitra. Fehiny, mila mailo sy mitandrina avokoa ny rehetra!

Tsiferana R.

Partager sur: