Fanamboarana basy : lehilahy iray manana orinasa tsy ara-dalàna

Voasambotry ny polisy tao Tanambao SPM Maintirano, ny 16 oktobra 2024, teo ny lehilahy iray mpanamboatra basy sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo dahalo mpanao fanafihana amin’iny faritra Melaky iny. Manana orinasa fanamboarana ireny fitaovam-piadiana vita tanana ireny ity lehilahy ity. Niainga avy amina loharanom-baovao iray no nahafantaran’ny polisy ny momba ny fisian’ity orinasa manamboatra basy tsy ara-dalàna ity. Nanao bemidina tao an-tranon’io lehilahy voarohirohy io ny polisy ka voamarina tokoa izany. Hita tao an-tranony ireo basy vita tanana efa vita niaraka tamin’ireo fitaovana marobe fikirakirana sy fanamboarana ireo fitaovam-piadiana ireo. Niroso tamin’ny fisamborana azy ny zandary. Nandritra ny famotorana savaranonando no nahafantarana fa efa ela izy no nanana ity orinasa fanamboarana basy ity. Mitohy ny fanadihadiana azy ka hatolotra ny fampanoavana izy aorian’izay.

J.C

Partager sur: