Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy efatra nisaron-tava mitam-piadiana mahery vaika tao Dépôt Bazaribe Toamasina, omaly tolakandro. Notafihin’ny jiolahy ny tranombarotra mpamongady iray tao an-toerana. Araka ny fanazavan’ireo niharan’ny fanafihana, vola mitotaly 140 tapitrisa Ar niampy vola mbola tsy voaisa anatina fitoeram-bola ary volan’ireo mpanjifa mividy entana tao amin’ilay mpamongady no noraofin’ireo mpanafika. Toy ireny amin’ny horonantsarimihetsika ireny ny zava-nitranga satria voambana basy ireo rehetra tao an-trano ka manatri-maso ireo olon-dratsy. Nalain’ireo mpanafika hatramin’ny vola sy finday teny am-pelatanan’ireo mpividy entana. Nampandohalihan’ireo jiolahy ny tompon’ilay tranombarotra ka nanararaotra nandraoka ny vola rehetra izy ireo. Nisy nahatsikaritra ihany ity fanafihana ity saingy tsy afa-nanao na inona na inona ireo olona teo amin’ny manodidina noho ny tahotra.
Mandry andriran’antsy
ny olona…
Taorian’ny fanafihana, nandeha moto roa samy nanao taingin-droa izy efa-dahy. Tsy vitan’izay fa mbola narefotr’izy ireo koa ny basy mba handrahonana ireo olona mety hanenjika avy aoriana. Nitsoaka nihazo ny lalam-pirenena faharoa (RN2 Bis) ireo jiolahy rehefa avy nanafika. Tsy mbola hita kosa anefa izy ireo taorian’izay.
Niakatra ny tahan’ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina, araka ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana. Nambarany fa mbola misy namany ireo tambajotra niaraka tamin’ ireo zandary ahina ho tompon’ antoka amin’ny asan-jiolahy ao an-toerana. Eo am-pikarohana izany rahateo ny mpitandro filaminana saingy miankina amin’ ny famotorana lalina ataon’ny mpitsara mpanao famotorana sy fikarohana izany. Mandry andriran’antsy tanteraka ny mponina ao Toamasina amin’izao.
Sajo