Kandidà Ndriana Razanamasy : “Aoka izay ny fampanantenana poakaty”

Hentitra sy nahitsy ny kandidà ben’ny Tanàna, eto Antananarivo, i Ndriana Razanamasy, raha naneho hevitra momba ny fifidianana. Nampahafantariny tamin’izany koa ny fandaharanasany.

«Aoka izay ny fampanantenana poakaty. Tsy hizara tee shirt sy koveta na koa handainga isika fa hametraka kosa ireo toko telo hitantanana ny renivohitra», hoy izy, tetsy Ampandrana, omaly. Nambarany fa anisan’ny fandaharanasany sy foto-kevitra telo ijoroana amin’izao maha kandidà azy izao ny fametrahana rafitra sy fitantanana mangarahara. Ny fanovana toe-tsaina “civisme” ary koa ny fitsipika hentitra. Miaraka amin’izany ireo dingana dimy. “Mifampilaza raha mikasa. Mifampiera raha hanapaka. Mifampifehy raha hamokatra. Mifarimbona raha hanatontosa ary mifampizara raha mahavokatra”, hoy izy. Nam­panantena ny tenany fa hitondra vahaolana maharitra sy tsara fototra ary mafy orina ho an’ny tanànan’Antananarivo, ho vohitra ahitam-pahombiazana amin’ny lafi-pihariana samihafa. Nohitsiny fa ny hainy sy ny ho vitany ihany no hotanterahiny. Tsy afaka ny hampanantena izatsy na izaroa ny tenany raha tsy mahita ny aty vilan’ny fitantanana ny CUA. Na izany aza, nambarany fa ilaina ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitantana. “Tsy hanohy ny tsy mety nataon’ireo mpitantana nifandimby teto…”, hoy ihany izy.

Tsy misy kajikajy politika

Nanteriny fa anton’izao firotsahany izao ny ho fandraisana anjara biriky sy hanitsy ny lesoka ary hanarina ny tanànan’Antananarivo. Tonga ny fotoana ho amin’izany, araka ny nambarany. Tsy misy kajikajy politika na ambadika tahaka ny fanaon’ny sasany anefa ny firotsahany ka hiakarana amin’ny toerana ambonimbony kokoa avy eo. Praiminisitra na filohan’ny Repoblika tahaka ny nifandimbiasana teto.
Notsiahiviny koa fa hanohy ny fanarenana sy fanatsarana nataon-dRazanamasy Guy Willy, rainy, ny tenany. Misy koa anefa ny efa tsy mifanaraka amin’izao vanim-potoana izao ka ilana jerena izany, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: