Ady tombontsoa eny Tsimbazaza : nanazava ny depiote Gascar Fenosoa

Inona ny marina ? Nam­piantso ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Ha­simbelo, ny depiote tamin’ny fivoriana nikaton-trano, teny amin’ny Antenimieram­pire­nena, Tsimbazaza, afakomaly. Nanana ny fanazavany ny depiote tsy miankina, i Man­drindrarivony Ogascar Feno­soa, teny Tsimbazaza, omaly. Ilain’ny depiote ny fiara 4 x 4, indrindra ireo any amin’ny faritra… Mba hahazoany miasa any amin’ny tany lavitra fanjakana foibe izany. Nefa tsy nanontaniana ny hevitry ny depiote: mila an’izay sa tsia? Notapahina avy hatrany ny solona solika izay tokony horaisin’ny depiote. Izay ny olana voalohany.
Olana faharoa, tsy fantatra mazava hoe ohatrinona no tena vidin’ny fiara ary mandritra ny hafiriana no handoavana azy ? Tsy fanomezana izany, fa ny solona solika ho an’ny depiote no nakana azy. Na manan-tsafidy na tsia, tsy maintsy tapaka aloha izay. Izay no mahatonga ny depiote mila fanazavana. Eo amin’ny 6 tapitrisa Ar isaky ny depiote no alaina, na manaiky na tsia. Misy karazana fiara roa natolotra hisafidianana, izay tsy fantatra mazava hoe: ohatrinona isam-bolana no haloa ary mandritra ny hafiriana? Mila fanazavana izay. Satria tsy hoe nomena ny fiara, fa esorina amin’ny solona soliky ny depiote. Rariny raha mitaky ny mangarahara ny depiote.
Farany, ny momba ny fampiasam-bola hanohanana ny fampandrosoana na ny “Crédit d’investissement destiné à l’appui au développement” (Ciad). Nihena hatrany amin’ny 66 tapitrisa Ar amin’izao fotoana izao, raha tokony ho 250 tapitrisa Ar teo aloha. Izay ny antony hoe nikaton-trano tamin’ny fivoriana, araka ny fanazavana.

R. Nd.

Partager sur: