FANTINA sy FINTINA

Nitafa mivantana tamin’ireo mponina eny Andraisoro sy Ampanotokana ary Ambatomaro sy Tsarahonenana ny kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Ravalomanana Tojo. Nambarany fa nahita ny iainana eny amin’ny tapany atsinanan’ny boriborintany fahadimy ny tenany. « Tsy mendrika ny maha olombelona intsony ny fijalian’ny mponina », hoy izy.
Nampahatsiahy ny Ceni fa mifampiankina tanteraka ary tsy afa-misaraka ny andraikitry ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. « Lehiben’ny mpa­natanteraka ireo asa fampandrosoana ny kaominina ny ben’ny Tanàna. Rafitra mpanapa-kevitra mandany amin’ny alalan’ny fifidianana sy fanapahan-kevitra ny mpanolotsaina », hoy izy ireo.
Nanambara ny kandidà, i Penjy Randria­na­risoa, omaly, fa manome sy manampy am-pitiavana ireo nila vonjy taminy. Tiako ny mizara. Tsy mitady tambiny fa fifaliana ny manao soa sy ny manampy ny mpiara-belona. Tsy vao izao fa efa hatrizay, araka ny nambarany. « Iray ampiana iray roa.  Izaho sy ianao mitambatra roa, hanohy ny asa », hoy izy.
Nitondra vahaolana ho amin’ny fikarakarana ny boky rovitra ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Nambaran’ny talen’ny Tahirim-bola misahana ny fananan-tany tetsy Antanimena, afakomaly, fa ho afa-pahasahiranana ireo tompon-tany manana olana amin’ny boky rovitra momba ny tany. “Hampiharina tsy ho ela izany”, hoy izy.

Partager sur: