Taxi-be 119 nivadika : zaza 6 taona ny iray tamin’ireo telo maty

Potika tanteraka ny taxi-be 119 iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Telo mianaka niara-maty.

Niara-maty niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny zaza 6 taona, vehivavy iray sy ny mpamily tao amin’ny fokontany Andriam­bilany, distrikan’Ambato­lam­py, ny sabotsy 19 oktobra teo. Fianakaviana avokoa ireto nandeha fiara spécial ireto. Namonjy lanonana tany Antsirabe izy ireo ka nikasa hitodi-doha hiakatra an’Anta­nanarivo. Nanararaotra nandeha mafy ny mpamily. Alohan’ny hiditra ny tetezana eo Antsahafiraisana, nandeha mafy ny fiara. “Tsy nisy nifanena, tsy nisy nisongona ny fiara”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria.

Tsy nahafehy lalana…
Nalalaka rahateo ny lalana kinanjo tsy tafiditra ny faritry ny tetezana akory ilay fiara teo amin’ny PK 57 + 800. Nivoaka ny arabe ny fiara. Nanidina ivelan’ny tetezana ka nivadika. Vokany, maty tsy tra-drano ny mpamily. Zaza 6 taona iray koa tsy tana ny ainy noho ny ratrany. Fahatelo namoy ny ainy ilay vehivavy 36 taona. Ankoatra ireo, mpandeha dimy tamin’ireo 22 tao anatin’ny fiara voa mafy ka voatery nakarina eny anivon’ny HJRA. Nentina nitsabo tena ao amin’ny CHRD Ambatolampy kosa ny ambiny. Tombanan’ny mpanao fanadihadiana ho tsy fahafehezana mitondra fiara eny amin’ny lalam-pirenena no anton’izao loza mahatsiravina izao.

Tsiferana R.

Partager sur: