trafikana zava-mahadomelina : Malagasy roa sy maorisianina iray tratra

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Mahajanga ireo Malagasy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fana­ovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Mbo­la ao anatin’ny fanadihadiana kosa ny teratany maorisianina iray tratra niaraka tamin’izy roa lahy ireo. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Mahabibo (CSP2) sy ireo sampana miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ao Mahajanga, ny alakamisy teo, izy telo lahy ireo, niaraka tamin’ny fonosan-drongony miisa 124. Teratany maorisianina ny iray amin’izy ireo ka teo amin’ny Village touristique no nahasamborana azy. Niroso tamin’ny fisavana ny tranony ny polisy ka « marijuana » miisa 26 fonosana no hita tao an-tranony. Tao amin’ny fokontany Antanam­bao Sote­ma kosa no tratra ny teratany malagasy roa lahy nivarotra rongony. Fonosan-drongony 98 no hita tao amin’izy roa lahy, nafenina tao anaty gony. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

J.C

Partager sur: