Filoha Rajoelina: “Hiadiana manokana ny fakana an-keriny”

Nosalorana mariboninahitra ”Brevet de mérite” sy medaly ny filohan’ny Répoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lanonana ara-miaramila teny Iavoloha, afakomaly, amin’ny maha filoha faratampon’ny Foloalindahy azy.

«Ankoatra ny fiadiana amin’ny asan-dahalo, anaovana iraka manokana fa hiady amin’ny fakana an-keriny isika. Eo koa ny fandravana ny tambajotra maro isan-karazany». Io ny hafatry ny filohan’ny Repoblika sady filoha faratampon’ny Foloalindahy, Ra­joelina Andry, tamin’ny lanonana ara-miaramila teny Iavoloha, afakomaly. Noho ny tsingerin-taona namindrana ny kaomandin’ny Vondron’ny hery manokana vonjitaitra na Groupement des forces spéciales d’intervention (GFSI) eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika izany. Fanolorana faneva ireo kaomandin’ny holafy efatra an’ny vondrona manokana, fanolorana mariboninahitra ”Brevet de mérite” sy medaly ny filohan’ny Re­poblika, matso… no nanamarihana izany. Miaramila miavaka amin’ny herim-batana sy herin-tsaina, indrindra amin’ny fiofanana manokana, izy ireo. Maro ny ezaka efa vita. Efa rava avokoa ny ankamaroan’ireo asan-dahalo. “Mila manova paikady indray isika, araka ny tenin’ny minisitry ny Foloalindahy”, hoy izy. Satria miova indray izao ny ambana : ny fakana an-keriny in­dray no mirongatra ankehitriny.
Manamarika fahavonona sy fahatokisana azy ireo ny nanomezana mariboninahitra sy medaly ny filohan’ny Re­poblika, mba ho reharehan’ny fiadidiana ny Repoblika sy ho an’ny Foloalindahy malagasy amin’ireo adidy sy andraikitra ary iraka ampanaovina. Tsapa ny fahavononana sy ny fahasahiana eo amin’ny asa mandritra ny hetsika karakarain’ny fitondram-panjakana, toy ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy ireo hetsika iraisam-pirenena. Nisafidy ny hanompo ny firenena sy hanandratra avo ny fiandrianam-. Adidiny ny tsy mikely soroka amin’ny andraikitra rehetra anirahana azy ireo sy hiaro tsy misy fepetra ny fiandrianam-pirenena

R. Nd.

Partager sur: