FANTINA sy FINTINA

Tafapetraka ny faran’ny herinandro teo, ny foiben’ny kandidà Ravalomanana Tojo ho an’ny boriborintany fahefatra, eny Namontana. Tonga teny an-toerana ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc, sy ny kandidà ary ireo depiote. Nambaran’ireo nandaha-teny fa kandidà vonona sy vanona ho amin’ny fitantanana ny Renivohitra ny kandidà Ravalomanana Tojo.
Mitaky ny hamoahan’ny Ceni ny vokatra amin’ny antsipiriany ny kandidà ben’ny Tanàna eto Antananarivo, Razafinjoelina Tahina, aorian’ny fifidianana. “Mba tsy ho vokatra amin’ny ankapobeny na “tendance globale” fotsiny, mba hahafahan’ny kandidà mampitaha avy hatrany ny vokatra eo am-pelatanana”, hoy izy.
Kely finoana ny amin’ny hahatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny mpikambana eo anivon’ny CT teo aloha, Ratolojanahary Lucien. Nohitsiny fa tsy hitondra fampandrosoana izany. “Tsy misy ny vola ampiasaina, hisian’ny vokatra mipaka eny amin’ny vahoaka. Tsy misy politika mazava sy fahaiza-mitantana”, hoy izy.
Niantso ny hampanjakana ny firaisankina ireo nandaha-teny tamin’ny fametrahana ny samboadin’ireo depiote voafidy tany amin’ny faritra Vakinankaratra, natao ny zoma teo. Nambara tamin’izany fa tanjona ny hanatrarana ny fampandrosoana haingana. Nitsodrano ireo depiote hahavita be amin’ny andraikitriny ny filohan’ny Antenimiera, i Tokely Justin, tamin’ny lahateniny.

Partager sur: