Vehivavy nidoboka am-ponja : olona fito voasoloky 21 tapitrisa Ariary

Vehivavy iray anatin’ny tambajotra misandoka ho mpandefa mpiasa any Ca­nada, naiditra am-ponja ny 18 oktobra lasa teo. “Tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook no nahalalako io rangahy io, ny 17 desambra 2023”, hoy ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray lasibatra. Resy lahatra tamin’ny fampanantenana nomena azy io ramatoa io fa afaka hi­asa any ivelany izy sy ny fianakaviany. Nanome lelavola 3 tapitrisa Ar isanisany, ara­ka izany, ity ramatoa ity sy ny vady aman-janany niampy ny havany akaiky. “Miisa fito izahay no lasibatr’io mpisoloky io”, hoy izy. Niandry ny fo­toana voalaza sy ny tohin’ny fifanarahana, tsy nahita vokany io ramatoa io sy ny vady aman-janany. Nametra­ka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana, voamarina fa lehilahy efa ka­ro­hin’ny fanjakana malagasy folo taona lasa ity nisoloky azy ireo ity. Tetsy ankilany, nitoroka ny mpiara-miasa tamin’io lehilahy io ny olona voasoloky hafa. Vehivavy mi­isa telo voasaringotra ka niakatra fampanoavana ny raharaha. Nidobo­ka am-ponja ny iray. Hatreto, tsy hita popoka ilay lehilahy voalaza ho tompon’ny orinasa manao ity fisolokiana ity

Tsiferana R.

Partager sur: