Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Noromanga, tao Andramasina, ny faran’ny herinandro teo. Nahazo loharanom-baovao momba ity dahalo ity ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy fa mihaodihaody ao Bemasoandro, kaominina ambanivohitr’i Behenjy, distrikan’ Ambatolampy, izy tamin’io fotoana io. Nanao vela-pandrika ny zandary saingy tafaporitsaka ihany izy. Nitsoaka tany Sabotsy-Ambohitromby, Andramasina, indray ka voasambotra tao anaty bar, ny alahady teo. Fiaraha-miasa teo amin’ny zandary ao Behenjy sy Sabotsy-Ambohitromby no nahafahana nanenjika azy. Fantatra fa nanomana fanafihana izy tamin’io alina io. Nisy ny fifandonana teo amin’ireo dahalo sy ny zandary ka lavo tao anatin’izany i Noromanga. Tavela ny sakaosy nisy basy vita tanana fampiasan’ireo dahalo.
J.C