Justice et Paix: “Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”

Nitondra hafatra momba ny fanaovana politika eto Madagasikara ny Justice et Paix. ”Mpifaninana fa tsy mpifahavalo ny mpanao politika”, hoy izy ireo.

“Iangaviana ianareo mpanao politika mba hanana toe-tsaina mpifaninana fa tsy mpifahavalo. Satria samy milaza fa tia tanindrazana”. Io no anisan’ny hafatra nampitain’ny vaomieran’ny Justice et Paix eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara, omaly, taorian’ ny fivoriambe ny 15-18 oktobra. Amin’ny fiatrehana ny fifidianana kaominaly izay, mba tsy hisy hanararaotra ny fa­han­tram-bahoaka. Aoka ny vahoaka tsy hiraviravy tanana, fa handray andraikitra ary ha­natanteraka ny adidy tokony hatao. Tsara ny mahita ny anka­maroan’ny olona efa liana amin’ny fifidianana. Saingy mbola misy koa ireo tsy mirona amin’izany, fa heverina ho tsy hampiova na inona na inona.
Tena marary ny firenena. Mila jerena haingana sy ma­zava ny tontolon’ny fampianarana, ohatra. Fana­beazana sy fampianarana mitondra mankaiza no hajoro? Maro ny tsy mahazo fitsaboana araka ny tokony ho izy. Tsy mbola ahitam-panafana ny fahalovana sy ny kolikoly. Arahina fanambakana isan-karazany amin’ny lafiny maro sy ny sehatra rehetra, ka mamono ny maha olona. Maro amin’ireo natao hiaro ny zo sy ny aina ary ny fananam-bahoaka sy ny mpampihatra lalàna no lasa miray hina amin’ny tambajotran’ny mpanao ratsy. Very fanahy mbola velona ny vahoaka. Tsy voatana intsony ny soatoavina maha olona, maha malagasy, maha kristianina. Izany rehetra izany dia vokatry ny fanaovana politika tsy mihevitra izay misy hatramin’izay: fitadiavana seza sy tombontsoa manokana sy ho an’olom-bitsy, fitangoronana sy fanararataom-pahefana, fanaovana tsindrio fa lavo, fanindrahindrana na fitsikerana befahatany nefa tsy mandray andraikitra, fandraisana ny tsy mitovy amin’ny tena ho toy ny fahavalo. “Politika inona izany?”, hoy ny hafatra.

R. Nd.

Partager sur: