Notanterahina teny Ambohimanga, ny faran’ny herinandro teo, ny fametrahana ho filoham-boninahitry ny Mpianatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly, avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray (Mafami), ny Jly Ravalomanana Richard. Nambaran’ ny filohan’ny Antenimierandoholona fa tokony hanana toe-tsaina miabo sy mandala ny firaisankina hatrany ireo mpikambana. “Aoka hotandrovana hatrany ny fihavanana. Tokony hialana ihany koa ny toe-tsaina ory hava-manana ary tohanana hatrany izay mamiratra”, hoy izy. Niantso ny rehetra amin’ny hanamafisana hatrany ny fihavanana sy ny amin’ny tokony hifanohanana hatrany amin’izay rehetra atao ny tenany. Manampy izany ny nanomezany torolalana sy nizarany traikefa tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny Mafami.
Anisan’ny niatrika izany ireo loholona sy depiote voafidy avy any Manjakandriana sy Ankazobe ary Ambohidratrimo. Teo koa ny minisitry ny Asa sy ny fampananasa, niaraka amin’ny minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena.
Nanana solontena nanotrona izany lanonana famindram-pitantanana izany koa, ho fanehoana firaisankina, ireo fikambanana samihafa avy any amin’ny faritany dimy hafa ankoatra an’Antananarivo.
Tsiahivina fa nandray izao toeran’ny filoham-boninahitry ny Mafami izao ny Jly Ravalomanana noho ny fangatahan’ny filoha teo aloha, ny Pr Rakotomanana Honoré.
Synèse R.