Mafana !

Mafampana ny raharaham-pirenena na eo aza ny fety. Mbola mitohy ny fifampihantsiana sy ny fifandrangitana eny amin’ny tambajotran-tserasera ataon’ny herivelona rehetra. Na ny mpanohana an’izatsy , na ny mpiandany amin’izaroa dia samy manovokovoka. Tsy misy fitoniana politika izany, tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy mahasakana ny mpankafy sy mpanohana mahafatra-po tsy haneho hevitra mahamay ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena sy ny filohan’antoko sasantsasany. Tsy mahagaga rahateo, volana vitsivitsy mialoha ny tsy maintsy hametrahan’ny Filoham-pirenena am-perinasa fialana izao, raha mbola hirotsaka hofidina amin’ny taom-pitondrana faharoa izy.
Ankoatra ny fanehoan-kevitra amin’ny internet, misesi­sesy ny fanehoan-kevitra mivantana ataon’ny ekipa mpanohana, mangataka an-dranona na ranona hilatsaka hofidina. Ma­ne­ho ampahibemaso ho mpiara-mitolona. Efa mandeha rahateo ny kajikajy amin’ny endriny maro. Mipetraka aza ny fanon­taniana amin’ny tena antony mampirisika ny vondrona na ankolafy hisafidy olona iray. Iaraha-mahalala fa zary lasa fanaovana afera sy fikatsahana tombontsoa ny tontolo politika eto Madagasikara. Natao ho fialofan’ny olon-dratsy ny rafi-panjakana sasany, noho ny fiarovana manokana homena azy ireny. Zary tsy fiankinan’ny marefo intsony fa andry iankinan’ ny tsy maty manota. Tsy misy etika politika !
Ny mpifaninana sy ny heverina hilatsaka hofidina efa samy anatin’ny fanafanana sy fanazaran-tena avokoa. Ao ny maka angovo ara-panahy sy manamafy finoana. Misy ny mitety faritra manomana ny fototra hanorenana ny trano. Manginy fotsiny ny efa mitady hirika hamikirana. Miditra tsikelikely anaty ambiansim-pifidianana isika eto Madagasikara, tokony efa samy hiomana avokoa amin’izay hiseho vao migadona ny taona 2023.
Hisy ny fanambaran’ny Filoham-pirenena ny faran’ny taona. Andrasana izay hambarany na hampangatsiatsiaka ny toe-draharaha, na maika hikopaka ny afo hirehitra. Zony feno ny maneho hevitra araka ny hodidina misy, sy ny paikady raisiny. Tsy hatoro voanjo hadiana rahateo izy, raha ny trai­kefa nolalovany tanaty krizy politika maromaro izay.
Na izany na tsy izany, tsy tokony hivaona amin’ny fiaro­vana ny tombontsoan’ny besinimaro ny fomba filalaon’ny mpisehatra politika. Tsy mahazaka olana hafa, ankoatra ny krizy sosialy goavambe sedrainy ankehitriny intsony ny vahoaka, izay efa sempotry ny hafanana amin’ny lafiny re­hetra mihitsy.

r.r

Partager sur: