“Mety izay famerana ny fe-potoana fangatahana didy hitsivolana izay. Satria mety hiteraka olana indray eo amin’ny fifampitokisana momba ny lisi-pifidianana, raha mbola mahazo mangataka izany amin’ny androm-pifidianana. Na hoe feno didy hitsivolana be dia be tonga avy any… Hanahirana izay.” Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny fiarahamonina sivily avy amin’ ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise), ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony, teny Maroroha Tsimbazaza, omaly, raha nanontaniana manoloana ny ahiahin’ny mpanao politika sasany ny amin’ny mbola ahazoana misoratra amin’ny lisi-pifidianana. Nanadihady teny amin’ny fitsarana mamoaka didy hitsivolana ry zareo: nanamafy ny mpitsara fa tsy misy olona afa-mitondra taratasin’ny hafa hangataka izany hisoratra ao anaty lisi-pifidianana. Ny vatantenan’ny olona no mila tonga amin’ny fanaovana fangatahana didy hitsivolana.
Maka ny didy hitsivolana eny amin’ny fitsarana, araka ny And. 42, amin’ny lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana. Misy ny didy navoakan’ny Ceni fa hatramin’ny 30 novambra ny fe-potoana ahazoana manao izay fangatahana didy hitsivolana izay. Mba hahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana izany. Tsiahivina fa manomboka ny 1 desambra 2024 hatramin’ny 15 mey 2025 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale). Izay no hamaranana ny fangatahana didy hitsivolana hatramin’ny 30 novambra. Miantso ny mpanao politika na ny firaisamonina sivily na ny haino vaky jery mba hampahafantatra an’izay fe-potoana izay amin’ny olom-pirenena. Mba hisian’ny fifidianana ao anatin’ny filaminana sy fitoniana izany.
R. Nd.