Rakotondravao Sarobidy : Kandidà natolotry ny Irmar

Nampahafantatra ny maha kandidà ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrikan’Ambo­hidra­trimo azy, Rakotondravao Sarobidy. Kandidà natolotry ny Irmar, nahazo ny laharana voalohany anatin’ny biletà tokana. Vinany ny hitondra fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy hijery manokana ny vahoaka eny ifotony. « Manondro ny hetsika sy politika rehetra ny fanatsarana ny fari-piainana sy ny fotodrafitrasa any ambanivohitra », hoy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana, fanabeazana, fahazoana rano fisotro, ny fampandrosoana ara-toekarena ary ny fiarovana ny tontolo iainana. Azo lazaina fa anisan’ny mampihena ny fahantran’ny mponina ny fanomezana azy ireo loharanon-karena sy fahafahana ara-toekarena hanatsarana ny fidiram-bolany, raha ny nambarany. Ankoatra izay, « miaraka amin’ny fanomezan-danja ny vehivavy, fampiraisana ny tanora, ny fanatsarana ny tontolo ambanivohitra », hoy hatrany izy. Hamafisina ihany koa ny ady amin’ny fifindra-monina an-drenivohitra amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tontolo ambanivohitra rehetra. « Ambato tsy maintsy mandroso », io teny manentana azy amin’ny fifidianana ho ben’ny Tanàna any amin’io kaominina io.

Mino

Partager sur: