Hanampy an’i Madagasikara i Afrika Atsimo amin’ny fikarakarana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, aogositra 2025. Fantatra izany taorian’ny fanoloran’ny ambasadaoro vaovaon’i Afrika Atsimo eto Madagasikara ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly. Manana traikefa amin’ny fandraisana fotoan-dehibe toy izany ry zareo. Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, misy ny fifanohanana sy fifanampiana eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra rehefa misy ny fifidianana eo anivon’ny vondrona iraisam-pirenena. Ao anatin’izany, ohatra, eo anivon’ny Sadc sy ny Vondrona afrikanina (UA). Voaresaka koa ny fiarovana ny sisin-dranomasina, ny harena an-dranomasina, fa mifanakaiky i Madagasikara sy i Afrika Atsimo. Eo koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny toekarena sy sosialy ary politika. Nambaran’ny filoha Rajoelina fa tanjona ny hampitomboana hatrany ny ambaindain’izay fifandraisana diplaomatika eo amin’ny firenen-tsamihafa hampandrosoana an’i Madagasikara izay.
R. Nd.