MFM: “Tokony hajanona ny fakana “ordonnance””

“Very zo ve izany ilay olona? Misy tsy mazava aminy ny asan’ny Ceni. Mampieritreritra sy mampatahotra ihany ny zava-misy. Tokony hajanona ny fakana “ordonnance” hahazoana mifidy”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace, manoloana ny fakana didy hitsivolana hahazoana misoratra amin’ny lisi-pifidianana. Efa nofoanana ny fakana didy hitsivolana hahazoana mifidy tany amin’ny 1991 fa miteraka hala-bato. Izay no tena marina. Nefa iniana averina indray amin’izao… Hatramin’izao, tsy mety madio ny tokotanim-pifidianana. Mitady lalana indray ny Ceni amin’ireo mpifidy heverina fa tsy fantatra. “Matoatoa no fahalalanay an’ireo amin’izao”, hoy izy. Entanin’ny Ceni izany ny mpifidy ho eny amin’ny fitsarana haka didy hitsivolana. Iza moa ny fitsarana? Ny fitsarana ange ny fanjakana. Amin-dry zareo, tsy mety ny fakana didy hitsivolana amin’ny fifidianana. Tokony hajanona hatreo aloha ny lisi-pifidianana, rehefa tsy tafiditra amin’izany ireo maka didy hitsivolana.

R. Nd.

Partager sur: