Nifampitadiavana nanomboka ny harivan’ny alarobia, hita tao anaty rano ny fatin-jazalahy 12 taona, tao Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola, omaly maraina. Nilalao niaraka tamin’ny namany izy, ny tolakandron’ny alarobia teo. Ankizy tafaraka ka samy nanala akanjo ary nilalao rano. Nifaninana niampita nihazo ny gara ireo ankizy ireo. Nanao izay ho afany, araka izany, izy ireo ary tafampita avokoa ny ankamaroany. Tampoka, tsy tazan’ny namany ity zazalahy ity. Nilentika teo afoavoan’ny rano izy. Niandry azy ireo namany izay efa teny am-pita. Tsy nipoitra anefa io zazalahy io. Nikoropaka nampandre ny manodidina ireo namany. Niara-nientana ny fokonolona nikaroka azy. Nanampy azy ireo koa, ny zanadry miasa ao an-toerana. Nandroso alina ny andro saingy tsy nahitam-bokany ny fikarohana. Ny marain’ny alakamisy, nigadona teny an-toerana ny sampana mpamonjy voina. Nikaroka ilay zaza voalaza fa natelin’ny rano. Hita noho izany ity farany saingy efa vatana mangatsika.
Tsiferana R.